ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 
  
Sekoly Alahady Andranoro - ANTSAFIA 
 
 
Rubriques

 Home

Hiran'ny Antsa-FIA

ANDRIAMANITRO IANAO HIDERA ANAO AHO. Sal 118:28 
 
BOKIN-KIRA ANTSA-FIA
 
Ny Mpamorona ny Hiran'ny ANTSA-FIA DIA 
 
IHASARAMANITRA Ravo SY 
RAZAFINDRABE Santatra
 
Deraina ny Tompo fa na dia mbola tanora aza izy ireo, noho ny famindrampony dia nomeny talenta ka afaka mitory sy mandrotsirotsy ireo mpankafia azy reo amin'ny alalan'ny hira fiderana maro samy hafa. 
Raha hasian-teny ny gadona. 
Maro ny gadona hita ao amin'ny hiran'ny Antsa-FIa, ary samy nampiasaina hitoriana ny fiazantsaran'i Jesoa Kristy avokoa izy ireny. 
 
Misokatra ho an'ny rehetra ny fidirana hiara hiasa na hiara hitory ny filazantsara. 
_________________________________________________ 
HIDERA ANAO 
 
Hidera Anao Aho 
Andriamanitra ô 
Hihoby Anao aho  
Andriamanitra ô  
Ankalaza Anao 
Andriamanitra ô 
 
Fa Tompo Andriamanitra Ray Mahery tokoa Ianao 
Mampidanaka ireo fariseo ny asa vitanao 
Na boka na jamba na moana dia nositraninao 
Hatramin'ny maty any am-pasana aza dia natsanganao 
_________________________________________________ 
ANANDRATRA ANAO AHO 
Hanandratra Anao aho ry Andriamanitro 
Noho ny hatsaranao sy ireo herinao  
Raha vao maraina na mandrakalina e! 
Ny vavako hanambara sy hankalaza Anao 
(2FOIS) 
Refrain 
Ankalazainay sy ho derainay ny anaranao 
Fa Tompo ny aina mamenon’aina 
MPIAMBINA 
Anandratra Anao aho ry Andriamanitra o 
Noho ny hatsaranao sy reo lazanao 
(2fois) 
 
Hihira ho Anao aho ry Andriamanitra ô 
Noho ireo talenta izay nomenao ahy 
Raha sendra fahoriana na ady mafy koa  
Tsy ho afak’ato am-bava, ny anaranao JESOA 
 
Refrain 
Ankalazainay sy ho derainay ny anaranao 
Fa Tompo ny aina mamenon’aina 
MPIAMBINA 
Anandratra Anao aho ry Andriamanitra o 
Noho ny hatsaranao sy reo lazanao 
(2fois) 
Noho ny hatsaranao sy reo lazanao 
Noho ny hatsaranao sy reo lazanao 
 
_________________________________________________ 
FISEDRANA 
Ho anao izay mitady  
Fiainana mahasambatra 
Ny Tompo irery ihany  
No afaka hanome anao 
Raha sendra ady mafy  
Tsarovy fa Izy tsy mandao
 
Ref 
Na maro aza ireo
 
Olam-piainana (ao) aminao
 
Jesosy irery no indro fiainana ho anao
 
Na maro aza ireo
 
‘Reo fisedrana aminao
 
Lalana ireny natao hanefena ho ahy anao
 
F’ireo mpanaratsy 
Tsy maintsy hanenjika anao 
Fa Jesosy ihany  
No banjino sy ankalazao 
Ho foana izany, 
Eny! Ho mpandresy ianao  
Ref 2fois 
_________________________________________________ 
FITIA AGAPE 
 
‘Lay Fitianao no nampiray anay 
Fitiavana tsy ho lo mandrakizay 
‘Lay Fitiavana nomenao Andriamanitra Ray 
“Fitiavana ho doria” Agape ‘zay 
 
Ref: Ianao Tompo ô, ‘lay Ray mpahary ahy 
Tsy nafohinao ho very aho rahatr’izay 
Notoloranao Fitia tsotr’izao  
Noharihinao finoana hanompo Anao 
Tena sambatra aho Ray  
Manana Anao  
Tena sambatra aho Ray  
Manana Anao  
 
Ny Finoana Anao Tompo ô  
Hery ho anay  
Finoana tsy ho faty rahatr’izay 
Finoanay ny ho mpandresy mahatoky Anay 
Finoana Anao Tompo ô no sabatray 
_________________________________________________ 
HO ANAO 
 
1-Atolotro ho anao  
Ny tenako ry Tompo 
Raiso ka anjakao  
Fa vonona aho hanompo 
Inty aho ry Jesoa Tia 
Vonona aho ho irakirakao  
Raha mbola miaina ety  
Dia hanao ny asanao 
 
2-Atolotra ho Anao  
Ny fiainako ry Ray 
Raiso re raha sitrakao  
Fa ho Anao mandrakizay 
 
3-Atolotra ho Anao  
Ny foko sy ny saiko  
Tano mafy re aho 
Az ‘avelanao ry Raiko 
 
_________________________________________________ 
MIFONA 
 
1-Mifona Aminao izahay 
Ry Rainay be Fitia 
Fa meloka, tsy mendriaka ny ho zanakao 
 
Fa be fiantra Ianao 
Mpihaino tsy mandao 
Mifona re!Mifona re! 
Diovy mba sasao 
 
2-Mifona Aminao izahay 
Noho ireo fombanay 
Mamela anay Tompo ô 
Ao koa ‘reo namanay 
 
3-Mifona Aminao izahay 
Noho ireo mpitondra anay 
Fa meloka tsy mendrika 
Ny ho mpanomponao 
 
_________________________________________________ 
MIFONA 
 
Ry Neny, Ry Neny,  
Tianay loahatra maminay ianao 
Kanto loatra, ny manana anao  
Ny Ray ao ambony ao 
Anie homba anao 
Neny tianay, ianao 
Neny, Reniko ianao. 
 
Ry Neny, Ry Neny 
Ilay nitaiza sy nahabe anay  
Kanto loatra, ny manana anao  
Ny Ray ao ambony ao 
Anie homba anao 
Neny tianay, ianao 
Neny, Reniko ianao. 
 
Réf: 
Ndreto izahay miantso Anao (Ry Tompo ô) 
Ilay zanakao, ilay adidinao (Ry Tompo ô) 
Lay Reninay tahio atoroy n’aiza n’aiza no haleha (Ry Tompo ô) 
Arovy ami ratsy, arovy amin’ny sampy  
Fa efa Anao voatokana ho Anao 
 
Ndreto izahay miantso Anao (Ry Tompo ô) 
Ilay zanakao, ilay adidinao (Ry Tompo ô) 
Lay Reninay tahio atoroy n’aiza n’aiza no haleha (Ry Tompo ô) 
Arovy ami ratsy, arovy amin’ny sampy  
Fa efa Anao voatokana ho Anao zahay 
 

 

(c) Antsan'ny Filadelfia Andranoro - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 15.07.2010
- Déjà 1990 visites sur ce site!